18,99 €
inkl. MwSt.

Versandfertig in über 4 Wochen
  • Broschiertes Buch

Dikanteny malalaka avy amin'ny teny Anglisy ny boky "Black Candy- Reinvent Yourself ' mitantara ny andram-pifindra-monin'ny fianakaviana Malagasy iray izay nandao an'i Madagasikara ho any Aostralia. Fanovozan-kevitra ho an'izay mitady fiovana.

Produktbeschreibung

Autorenporträt
Angelo Razafimamonjy, raim-pianakaviana, teratany Malagasy, mpifindra monina any Aostralia, ary "mpampiofana ireo maniry hanatanteraka ny nofinofiny", dia olona mafana fo amin'ny fanohanana ny hafa ho tafita amin'ny fiainana. Amin'ny maha mpanoratra, mpandaha-teny, ary mpampiofana azy dia nanampy olona maro izy hisedra ny tsy rariny amin'ny fiainana, hitondra fiovana sy hanefy ny tenan'izy ireo, ka nanampy azy ireo hanatanteraka ny nofiny. Niasa tao amina tanana kely fitrandrahana harena an-kibontany i Angelo, tany an-tanindrazany, Madagasikara. Nahatsiaro ho vahiny-tompontany mandrakariva anefa izy tao anatin'izany. Ny talentany, ny fanampian'ny mpiray tanindrazana aminy, ary ny finoany no nanampy azy hamadika ny fahasosorany ho hery hananavao azy. Tia mizara ny hafaliany tamin'ireo namany i Angelo sy ny ankohonany, miaraka amin'ny gitara sy ny tonotono. Manasa anao izy anio hanefy ny fiainanao mba ho olombaovao vonona hanatanterahana ny nofinao ianao. Mifandraisa aminy amin'ny: www.blackcandyoz.com